La zone forestière attribuée à une communauté de base est fixée en fonction Ohatra amin'ny andininy

La zone forestière attribuée à une communauté de base est fixée en fonction. De l’accessibilité de la forêt considérée ;- De la pression s’exerçant sur les ressources forestières ;- Des besoins de la communauté de base demanderesse ;- De la capacité reproductive de la forêt ;- De la motivation et de la volonté de ladite communauté de base. Elle s'inscrit dans les limites du terroir de la communauté de base demanderesse. And. 3 : Ho fampiharana izao didim-panjakana izao, ny atao hoe : - Fitantanana nanaovana fifanekena momba ny ala : Fomba iray famindram-pitantanana amin'ny vondrom-bahoaka fototra mba hisian'ny fitantanana eo an-toerana maharitra sy isian'ny filaminan'ny loharanon-karena momba ny ala ;- Vondrom-bahoakaka fototra : Vondrona iray naorina, nasiam-pandaminana ary miasa araka ny fepetra voalazan'ny Didim-panjakana laharana faha-2000-27 tamin'ny 13 janoary 2000 mikasika ny Vondrom-bahoaka fototra misahana ny fitantanana eo an-toerana ny loharanon-karena voajanahary azo havaozina- Kaominina iankinana : ny vondrom-bahoaka ao anatin'ny fari-piadidiana izay misy ny loharanon-karena avy amin'ny ala tantanina- Fampitomboan-tsandan'ny toekarena : ny fitrandrahana mikendry lalam-barotra amin'ny loharanon-karena avy amin'ny ala tafiditra ao anatin'ny faritry ny fitantanana maharitra ny ala. And. 4 : Ny famindram-pitantanana ny ala amin'ny alalan'ny fifanekem-pitantanana dia ahita na : - Ny fitantanana ny zo hampiasa zakain'ny isam-batan'olona na ny vondron'olona ataon'ny mpikambana ao amin'ny Vondrom-bahoaka fototra na izany hiantohana ny asa aman-draharaha ny vokatra madinidinika avy amin'ny ala na hanomezana fahafaham-po ny zavatra ilainy andavanandro araka ny voalazan'ny andininy faha-41 ao amin'ny lalàna laharana faha-97-017 atao hoe lalàna momba ny ala sy ny andininy faha-34 sy faha-35 amin'ny Didim-panjakana laharana faha-98-781 tamin'ny 16 septambra 1998 amaritana ny fepetra ankapobeny ampiharana ny lalàna itantanana ny ala ;- Ny fampitomboan-tsanda ara-toekarena ny loharanon-karena avy amin'ny ala araka ny fepetra voalazan'ny lohateny III amin'izao didim-panjakana izao. Ny azo ao amin'ny sokajy voalohany sy sokajy faharoa, voalazan'ny tabilao natovana ny didim-pitondrana tamin'ny 17 novambra 1930, dia anaovana fepetra teknika manokana ao anatin'ny fampitomboan-tsanda azy (drafi-panajariana, fifanaraham-pitrandrahana, dina…)- Ny fiarovana ny ala Na izany aza, ny famindram-pitantanana ny ala dia azo atao miandalana arakaraky ny fahafaha-mitantan'ny vondrom-bahoaka fototra mpangataka araka ny hevitry ny kaominina iankinana sy...