La gestion contractualisée des forêts (GCF) s’inscrit dans le cadre des objectifs et prescriptions Ohatra amin'ny andininy

La gestion contractualisée des forêts (GCF) s’inscrit dans le cadre des objectifs et prescriptions. De la gestion locale sécurisée des ressources naturelles renouvelables (GELOSE) ;- De la politique forestière ;- Du Plan Directeur Forestier National (PDFN) et de ses composantes régionales, en l’occurrence les plans Directeurs Forestiers Régionaux (PDFR) ;- De la mise en compatibilité des investissements avec l’environnement (MECIE) ;- Des plans d’aménagement. REPOBLIKAN'I MADAGASIKARATanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana MINISITERAN'NY RANO SY ALA Didim-panjakana laharana faha- 2001-122amaritana ny fepetra fampandehanana ny fitantanana nanaovana fifanekena momba ny alam-panjakana NY PRAIMINSITRA SADY LEHIBEN'NY GOVERNEMANTA, - Araka ny lalàmpanorenana- Araka ny Lalàna nasiam-panovàna laharana faha-60-004 tamin'ny 15 febroary 1960 mikasika ny harem-panjakana tsy azo amidy ;- Araka ny Lalàna laharana faha-96-025 tamin'ny 30 septambra 1996 mikasika ny fitantanana ny loharanon-karena azo havaozina eo an-toerana ;- Araka ny Lalàna laharana faha-97-017 tamin'ny 8 aogositra 1997 anavaozana ny lalàna fitantanana ny ala ;-Araka ny Hitsivolana laharana faha-60-128 tamin'ny 3 oktobra 1960 mametra ny paika arahina amin'ny famaizana ny fandikan-dalàna momba ny fitantanana ny ala, ny fihazana, ny fanjonoana ary ny fiarovana ny zavaboary ;- Araka ny Didim-panjakana laharana faha- 97-281 tamin'ny 7 aprily 1997 mamaritra ny anjara raharahan'ny Minisitry ny Rano sy Ala ary koa ny fandaminana ankapobe ny Minisiterany ;- Araka ny Didim-panjakana laharana faha-97-1200 tamin'ny 2 oktobra 1997 andaniana ny politika fitantanana ny ala ;- Araka ny Didim-panjakana laharana faha-98-522 tamin'ny 23 jolay 1998 manendry ny Praiminisitra, sady Lehiben'ny Governemanta ;- Araka ny Didim-panjakana laharana faha-98-530 tamin'ny 31 jolay 1998 manendry ny mambra ao amin'ny Governemanta ;- Araka ny Didim-panjakana laharana faha-98-781 tamin'ny 16 septambra 1998 amerana ny fepetra ankapobe ampiharina amin'ny Lalàna laharana faha-97-017 voalaza etsy ambonyAraka ny Didim-panjakana laharana faha-98-782 tamin'ny 16 septambra 1998 mikasika ny fitrandarahana ny ala.-Araka ny Didim-panjakana laharana faha-2000-27 tamin'ny 13 janoary 2000 mikasika ny vondrom-bahoaka fototra mikasika ny fitantanana eo an-toerana ny loharanon-karena voajanahary azo havaozina ;Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ano sy Ala ; Teo am-pivorian'ny Governemanta, DIA MAMOAKA IZAO DIDY IZAO LOHATENY I - FEPETRA ANKAPOBE Andininy voalohany : Ho fampiharana ny fepetra voalazan'ny andininy faha-24 amin'ny lalàna laharana faha-97-...