- Dans les deux cas cités à l’article 11 ci-dessus, l’exploitation des dites ressources doit s’effectuer conformément Ohatra amin'ny andininy

- Dans les deux cas cités à l’article 11 ci-dessus, l’exploitation des dites ressources doit s’effectuer conformément à un plan d’aménagement simplifié fixant notamment : And. 7 : Nifanarahana am-boalohany ny fotoam-paharetana telo (3) taona, ny fifanekem-pitantanana ao anatin'ny fitantanana nanaovana fifanekena. Havaozina isaky ny fe-potoana folo (10) taona izany na dia eo aza ny fampiharana ny lohateny IV amin'izao didim-panjakana izao, indrindra indrindra ny andininy faha-34 sy faha-35. Amin'ny fiafaran'ny fe-potoana tsirairay avy, dia hisy fanombanana atao amin'ny fitantanana ny ala ataon'io vondrom-bahoaka fototra io. LOHATENY II - NY AMIN'NY PAIKA ARAHINA AMIN'NY FANDRAIKETANA NY FIFANEKEM-PITANTANANA And. 8 : Ny fifanekena ikendrena ny famindram-pitantanana ny alam-panjakana dia raiketina eo amin'ny- Fandraharaham-panjakana momba ny ala,- Vondrom-bahoaka fototra mpangataka Amin'izany, ny solontenan'ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala dia tendrena amin'ny alalan'ny teny midina ataon'ny Foibem-pitondrana iraisam-paritry ny Rano sy ala voakasika And. 9 : Araka ny modely toro-lalana ao amin'ny tovana amin'izao didim-panjakana izao, ny fifanekem-pitantanana dia mamaritra :- ny ala, anton'ny famindram-pitantanana,- ny velarana, ny fepetra ary ny famaranana ny famindram-pitantanana- ny fandikan-dalàna sy ny famaizana ampiharina- ny fandravonana ny fifanolanana Feran'ny didim-pitondrana ataon'ny Minisitra miandraikitra ny Rano sy Ala ny fomba fampiharana izao andininy izao. And. 10 : Ny fanapahana ny fifanekem-pitantanana dia atao toy izao fomba manaraka izao :- Fangatahana alefa any amin'ny solontenan'ny Vondrom-bahoaka fototra misy ny kaominina iankinana.- Fampitana ny fangatahana any amin'ny tompon'andraikitry ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala mahefa rehefa avy nakan-kevitra ny kaominina miaraka amin'ny fampahafantarana ny soprefe voakasika ;- Fanadihadiana ataon'ny vaomiera eo an- toerana- Fananganana ny fikambanam-pitantanana sy fametrahana rafi-pitantanana ;- Famolavolana ny fitaovam-pitantanana- Fanaovana sonia ny fifanekena- Ny vaomiera voalaza etsy ambony dia ahitana :- ny ben'ny tanàna na ny solontenany- mambra iray amin'ny filankevitry ny kaominina- solontena iray avy amin'ny zaran'asa amin'ny faritra misy ala. LOHATENY III - NY AMIN'NY FOMBAFOMBA FITANTANANA And. 11 : Araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-31 andalana faha-2 amin'ny Didim-panjakana laharana faha-98-782 tamin'ny 16 septambra 1998, ny fitantanana nanaovana fifanekena momba ny ala ataon'ny Vondrom-bahoaka fototra dia ifarimbonana. Na izany aza, ny fitrandrahana ny loharano ara-toekar...