Barson Rakotomanga, SSM Ohatra amin'ny andininy

Barson Rakotomanga, SSM. 76 Concurrence libre et loyale 77 Cahier de charges78 Traçabilité”79 Mpiasa amin’ny tranoimbarotra tsy mitonona anarana Fepetra fiaovana eo amin’ny politikan’ny fizahantany : ◗ Foanana ny “Ofisin’ny fizahantany” fa omena lanja ny sampandraharaham-paritra misahana ny fizahantany isorohana ny fifanitsahana andraikitra ; ◗ Apetraka ny “Régisseur des recettes” eny anivon’ny sampandraharaham-paritra ary izy no mandrotsaka ny vola miditra avy amin’ny fizahantany any amin’ny sampan- draharahan-ketra eny anivon’ny Faritra ; ◗ Ny Faritra no mandinika ny tetika hampandrosoana ny fizahantany sy ny tetibola ilaina ho amin’izany ; FEPETRA FAMPORISIHANA80Fepetra fampirisihana eo amin’ny politikan’ny fandraharahana◗ Omena vahana ny indostria eto an-toerana mba hahafahany mivelatra sy mamorona asa :Alefahana ny hetra ; Hamoraina ny fampindramam-bola ; Entanina ny mponina hanjifa ny vita eto an-toerana ; ◗ Omena vahana ny orinasa malagasy vao misandratra mba hahafahany mitombo sy mamorona asa :Tsy mandoa hetra mandritra ny telo taona ; tohanana ara-bola sy ara-traikefa ny tetikasan’ny tanora nahavita fianarana ◗ Mahafa-po ny tolotrasam-panjakana81 ho an’ny mpandraharaha sy ny mponinaTsy misy ny kolikoly, ary hentitra ny fanaraha-maso sy ny fanasaziana ; mangara- hara ny paika arahina ; amin’ny andro sy ora fiasana manontolo no atao andrai- sana olona ; mangarahara ny fe-potoana hahavitan’ny taratasy atao ; mangara- hara ny vola aloa ; Fepetra fampirisihana eo amin’nypolitikan’ny angovo :◗ Atao sahaza ny sokajim-pamokarana samihafany angovo (ny heriny sy ny vidiny) : indostria vaventy, orinasa madinika, mpanao asa tanana, mpivarotra, vondrom- bahoakam-paritra, tokantrano ; Atsangana ny “Centrales hydroélectriques” manerana an’i Madagasikara hianto- hana ny famatsiana ny orinasa vaventy amin’ny vidiny mirary ; Vokarina ny “Energies Hybrides” (Eolienne + Solaire + Marine) hamatsiana ny tokantrano sy ny vondrom- bahoakam-paritra ary ny orinasa madinika ; Ampiasaina avokoa ny akora misy eto an-toerana (« huiles lourdes, charbon de terre, gaz, biogaz, ethanol,… »)82 80 Mesures incitatives81 Service public de qualité82 Tovobeloha, sendikalista JIRAMA Fepetra fampirisihana eo amin’ny politikan’ny fitaterana : Ampiroboroboana ny fitaterana mifanaraka amin’ny toe-tany : ◗ ampiasaina ny vatolampy anaovana lalana “pavé” ;◗ havaozina ny lalamby efa misy ary mamorona lalamby vaovao ;◗ mividy sambo sy manangana seranana, eny hatreto afovoantany (Ikopa, Betsiboka) ;◗ manangana làlana miha...