Autosuffisance alimentaire Ohatra amin'ny andininy

Autosuffisance alimentaire. ◗ Arovana ny jono :Ampitomboina ny isan’ny Polisy68 manara-maso ny sisintany sy ny fari-dranoma- sina69 ; ary hamafisina ny fampitaovana azy ireo : mividy sambo sy helicoptère, manofa satellite ; araha-maso ny fampiharana ny bokinandraikitra sy ny lalàna mikasika ny jono ; ◗ Atao hentitra ny fanaraha-maso ny akora mialohan’ny fanondranana ataon’ireo ori- nasa mpitrandraka ny harena voajanahary (an-kibon’ny tany, an-dranomasina) ; ha- vaozina ny fifanarahana ; ◗ Tohanana ny fanodinana indray70 ny akora efa niasa :Fako haodina ho zezika, angovo, tao- trano ; Poti-kazo sy lamba tonta haodina ho taratasy ; Poti-by haodina ho vy ; plastika haodina ho fitaovana isan-karazany ◗ Ajanona ny fanondranana ny akora fototra tsy voahodina :Rambon’omby, hoditra, tandrok’omby, rofia, landy, fasimainty sy ireo harena an-kibon’ny tany hafa ; harena an-dranomasina Ampirisihana ny fanodinana ireo eto an-toerana mba hampitombo ny harikarena sy ho fampananana asa, ary hiantohana ny fisian’ny akora fototra hampiasain’ny mpanao asa tanana sy ny indostria